Ilay fasako…

« Ilay fasako, fasako ihany, fa ny foko dia fasana koa! Io no fasako ivelan’ny tany, Io no fasako iray, faharoa!. » J.J. Rabearivelo

Malaza ireo rima ireo.

Rehefa mananihany ny olona dia hoy izy hoe :

Ilay vadiko, vadiko ihany, fa ny sipako dia vadiko koa! Io no vadiko ivelan’ny trano, Io no vadiko iray, faharoa!

Raha dinihina ny « original » dia manambara fa ratsy toy ny fasana ihany ny fon’i J.J.Rabearivelo satria feno ngidy sy fahadisoam-panantenana ao anatiny ao.

Dia toy izay koa izany ny fampirafesana ao amin’ilay hanihany satria ny sipa koa dia mandany vola sy fotoana sy hery ary ron-doha toy ny vady ao an-trano.

Raha itarina ireo rima ireo dia manambara fifanongoan’ny olana ka dia ho azo ampiasaina amin’ny toe-javatra maro samihafa, ohatra :

MPAMPIRAFY

Ilay vadiko, vadiko ihany, fa ny sipako dia vadiko koa! Io no vadiko ivelan’ny trano, Io no vadiko iray, faharoa!

DIA AVY EO MANAONAO FOANA

Ilay tranoko, tranoko ihany, fa ny sambra dia tranoko koa! Io no tranoko ivelan’ny fanamarinam-ponenana, Io no tranoko iray, faharoa!

VOKA-DRATSINY

Ilay zanako, zanako ihany, fa i Lita dia zanako koa! Io no zanako ivelan’ny trano, Io no zanako iray, faharoa!

DIA TSY AMPY NY VOLA

Ilay asako, asako ihany, fa ny bizina dia asako koa! Io no asako ivelan’ny sosiete, Io no asako iray, faharoa!

DIA MITOHY HATRANY

Ilay problemako, problemako ihany, fa nareo dia problemako koa!

sns.

Raha azonao tsara ny fampiasa azy dia azonao atao koa ny mamorona ho anao. Aoka mba hanaraka ny lojika fa tsy hisy hadisoana toy ny hoe :

Ny fasako, fasako ihany, fa ny kiboko fasan’akoho!

 

 


Autres articles

Un commentaire

Répondre

Le blog du psy |
milort |
INSOLITFOTO |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | ..::The Blog Of The Queen::..
| jesuishypocondriaquemaisjem...
| millogoangeabdias