Accueil Actus Maka lesona amin’ny biby ratsy

Maka lesona amin’ny biby ratsy

0
0
138
Nouvelle image (7)

Nalaza tato ho ato ny valala. Valala aman-tapitrisany no nandrakotra an’Antananarivo. Tsy azo lavina ny maharatsy izany toe-javatra izany. Ny valala mantsy rehefa maro loatra toy izany dia manjary biby mpanimba. Manimba ny voly, ny zava maitso izay ataony maty faisana ao anatin’ny fotoana fohy. Ao ny mifanome tsiny, ao ny mivavaka mafy, misy koa ireo adala mifalifaly nefa ny tokony ho atao dia ny maka lesona.

Nouvelle image (7)

 

Ho an’ny biby toy ny vorona sy ho an’ny olombelona dia sakafo latsaka avy any an-danitra sady mahasalama ny valala raha toa ka tsy mbola nofafazana poizina. Kanefa raha amin’ny ankapobeny dia biby ratsy izy. Ratsy tokoa ny valala. Biby kely tsy ampy 10 sm ny halavan’iny iray nefa dia tsy vitan’ny malagasy ny maharesy azy. Karazany antsoina hoe « locustes » no manjary manao andiany toy izao.

Tsy hoe misy foana ny valala mirongatra toy izao. Amin’ny fotoana rehetra dia misy izy, saingy mandeha tsirairay. Rehefa misy rivo-doza na noho ny antony hafa ihany koa dia mivondrona amin’ny toerana iray ny valala. Miova koa ny tahan’ny hôrmônina « Serotonine » ao anaty atidohan’izy ireo ka dia miova ny fihetsiny.

Manomboka eo dia manjary tsy te hisaraka ny valala. Raha ampy ny sakafo ary tsy misy loza mandripaka azy ireo dia vetivety dia mitombo isa izy ireo. Miara-mirohotra amin’izay mandravarava izay rehetra eo anoloany. Sarotra ny miady amin’izy ireo noho ny habetsany sy ny fitomboany haingana.

Ny olombelona koa samy manana ny ady atrehiny, samy manana ny zavatra eritreretiny ho azo. Ny rivo-doza atrehiny anefa matetika dia mampisara-bazana azy ireo fa tsy mba mampivondrona azy toy ny valala. Ny lesona ampianarin’ny valala kanefa dia efa fantatry ny Ntaolo ihany fa ny hoe « Ny vitsy andevon’ny maro » ary  « Ny mita-be tsy lanin’ny mamba ».

 

  • révolution

    Diniho ny fandehan-javatra

    Misy firenena izay any nanana orinasa maro ny fanjakana tao aminy. Izao ny tantarany, mamp…
  • hemorragie

    Maratra i Dago

    Version française ici. English version here. Indro i Dago mitsirara manamorona ny Lakandra…
  • Drapeau_malgache_à_Antananarivo

    Madagasikara : Mitohy ny fifandirana

    Pour lire l’équivalent de cet article en français, cliquer ici. Mandeha ny fotoana. …
Charger d'autres articles liés
Charger d'autres écrits par randriamialy
Charger d'autres écrits dans Actus

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Consulter aussi

Diniho ny fandehan-javatra

Misy firenena izay any nanana orinasa maro ny fanjakana tao aminy. Izao ny tantarany, mamp…