Accueil Actus Tsy rariny be dia be, BAD2014

Tsy rariny be dia be, BAD2014

0
0
76
south-africa-216527_640

Amin’izao BAD2014 (#BAD2014, Blog Action Day) izao izay miompana amin’ny « inequality » dia tiako ny hitanisa ireo tsy rariny rehetra misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Ici pour voir mon article en Français pour le BAD2014

Manana sy mahantra

Matetika dia io foana no voalohany tonga ao an-tsaina rehefa miresaka tsy rariny isika. Ireo manan-karena eto Madagasikara dia tena manana tokoa. Mora mantsy ny fiainana eto ampitahaina amin’ny any ivelany raha ny resaka sakafo, hofan-trano, kojakoja isan-karazany. Hany ka dia mirobaroba ireo mpanan-karena amin’ny fividianana tany, trano, fiara.

Etsy andaniny ireo mahantra dia tena mahantra indrindra. Tsy vitan’ny mitrongy vao homana fa na dia mitrongy aza mbola tsy mihinana ihany. Hitanao ireny, ireo 4′mis, ireo mpibata entana, ireo miasa an-tranon’ny olona, sns… Eny na dia ireo manana asa birao sy mpiasa tena aza dia sahiran-dava. Saika tsy misy intsony ireo antsoina hoe antonitoniny (classe moyenne).

 

Lehilahy sy vehivavy

Eto Madagasikara dia tena mbola lavitra ezaka ny fampitoviana ny lehilahy sy ny vehivavy. Dieny mbola kely dia efa sarahina ny hoavin’ireo zazalahikely sy zatovovavy kely. Vitsy ny ray aman-dreny mbola mahafoy fananana hampianarana zanaka vavy. Rehefa any amin’ny orinasa sy toeram-piasana dia mbola manjaka hatrany ireo fisainana fa ny lehilahy no atokisana sy mahavita kokoa. Hita taratra eo amin’ny fitsijarana ny toerana eo amin’ny fitondrana, hatrao amin’ny governemanta fa mbola vitsy an’isa hatrany ny vehivavy. Fantatra anefa fa afaka mifaninana tsara amin’ny lehilahy ny vehivavy ary misy aza asa izay vitany tsara kokoa.

 

Lehibe sy ankizy

Na dia eo aza ny ezaka maro efa vita dia mbola voailikilika hatrany ny ankizy eto Madagasikara. Tsy henoina izy ireo ary tsy omena lanja amin’ny zavatra ataony. Ny tena ratsy aza dia ny mbola fisian’ny fampahoriana, fampijaliana sy famonoana ireo zaza ireo.  Mbola tsy afaka ny miaro tena eo anatrehan’izany satria tsy mora ho an’izy ireo ny mahazo rariny eo amin’ny fiaraha-monina na ny manam-pahefana fa mbola tsy maintsy ny lehibe ihany no miady ho azy. Ireo zaza ireo anefa no ho avin’ny firenena sy ny tokantrano rehetra. Anjaran’ny ray aman-dreny ny mamatsy vola sy herin-tsaina ary herim-batana ho an’ny fianarana sy ny fitaizana azy ireo satria afaka fotoana fohy dia ireo indray no ho hery mpamokatra hikarakara ny beantitra sy ny taranaka any aoriana. Izay no atao hoe valimbabena ara-drariny.

 

Ireo manan-kilema

Tsy raisina ho toy ny olon-drehetra ireo kilemaina malagasy. Tsy eritreretina ny momba azy ireo sy izay ahafahany miaina tsara toy ny sasany. Tsy toy ny any amin’ny tany mandroso ohatra fa eto Madagasikara dia tsy mba misy lalana voatokana ho an’ny seza atosika ireny. Mba afaka mandeha fiara fitaterana ny jamba, soa ihany, satria mitabataba be ny mpaka saran-dalana. Mbola tsy mahazatra ny ankizy ny miara-mianatra amin’ny jamba izay mampiasa fitaovana fanoratana manokana. Manginy fotsiny ireo vava ratsy sy fanesoana ary fananihaniana atao azy ireny eny an-dalana sy rehefa mba manao zavatra izy.

 

Ireo mahitahita

Tsy rariny manjaka be eto MAdagasikara koa dia ny fisian’ny olona mampiasa ny fananany na ny toerany na ny havany na ny namany mba hanaovana tsindry hazo lena amin’ny mpiray monina aminy. Eny amin’ny rahahraha ara-mpanjakana, eny amin’ny raharaha fitsarana, eny amin’ny fizarana fanampiana, na aiza na aiza dia mbola manjaka foana ny tsolotra sy ny karazany. Izany dia miteraka tsy rariny hatrany ary ny tsy fahatsapana fa tsy tsara ny manara-dalàna.

 

Mbola misy maro

Mbola maro ireo antony sy fisehoan’ny tsy rariny eto amintsika. Ny vahaolana amin’izy ireny dia ny fanabeazana ihany. Fanabeazana ny ankizy sy ny tanora nefa koa azo beazina koa na ireo olon-dehibe aza. Azo atao ny mianatra asa satria rehefa miasa dia afaka manam-bola. Fa ilaina koa ny mianatra miaina. Mianatra ny zon’olombelona mba hahafantarana ny zonao sy ny zon’ny hafa manodidina anao.  Amiko, tsy voatery hanan-karena avokoa vao hahay miaina sy miara-miaina. Azo atao ny manova ny toe-javatra tsy rariny fa mora kokoa ny manova ny fomba fisainana tsy rariny.

  • révolution

    Diniho ny fandehan-javatra

    Misy firenena izay any nanana orinasa maro ny fanjakana tao aminy. Izao ny tantarany, mamp…
Charger d'autres articles liés
Charger d'autres écrits par randriamialy
Charger d'autres écrits dans Actus

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Consulter aussi

Diniho ny fandehan-javatra

Misy firenena izay any nanana orinasa maro ny fanjakana tao aminy. Izao ny tantarany, mamp…