Accueil Actus Ohabolana diso

Ohabolana diso

2
0
220
800px-Lamba_of_Madagascar_-_detail_lambahoany

Mahafinaritra ahy hoy aho ny ohabolana malagasy e. Misy dia tena mahatsikaiky mihitsy nefa mifono hevi-dalina. Tsy dia tadidiko avokoa izy ireny. Izaho moa tsy mpikabary. Tena hadinodino mihitsy e. Ampio aho azafady.

sary : lemurbaby sur wikipedia

Misy ohabolana diso ireto. Tena izy ny fiatombohany, ary tena izy ny famaranana saingy tsy mifanaraka ireo. Ka ny kilalao ataontsika dia ny milaza ireo ohabolana tena izy nakàna azy. Na dia iray ihany aza no fantatrao dia efa tsara izay. Azo atao ny mihomehy amin’ny hadisoana nataoko fa tsy maninona. Ary aza ratsy saina. Dia aza adino intsony ny ohabolana tena izy fa ilainao ireny eo amin’ny fiainana.

Ireo ohabolana diso folo (na fomba iray ampianarana ohabolana 20 maimaimpoana)

1-Be nangy miara-matory, tsy indray mifoha.

2-Tongotra mby an-dakana ka sady marary no mahamenatra.

3-Omby mahia be tandroka toy ny vinanto vao.

4- Ny tody tsy misy, fa i Balita no tsy nambinina.

5- Aleo mihinan-kely toy izay manaonao foana.

 6- Tanora ratsy fiary ka nahavoa voamason’angatra.

7- Tovovavy ratsy tarehy ka izay vita aloha no manenina.

8- Ny hendry mody voky fa  ny fanalana kaka no ady mafana.

9- Vero taingenam-pody, izy mihinana indray no avo vava.

10- Tsara tarehy petak’orona ka ohanina amin’ny halemem-panahiny.

 

 

Valiny

1- Be nangy miara-matory ka ny an-doha indray no tery.

- Omby indray mandry tsy indray mifoha.

2- Tongotra mby an-dakana tsy afa-miverina intsony.

Vay an-kandrina ka sady marary no mahamenatra.

3-Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.

Omby mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran’ny aina.

4- Ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina.

- Andriamanitra no nanome fa i Balita no tsy nambinina.

5- Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy.

- Aleo manontanitany foana , toy izay manaonao foana.

6- Tanora ratsy fiary ka maka kitay fotsy volo.

- Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra.

7- Tovovavy ratsy tarehy ka ny volo no aholakolana.

- Tranoben’Antananarivo ka izay vita aloha no manenina.

8- Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany.

- Boka mihina-kitoza fa ny fanalana kaka no ady mafana.

9- Vero taingenam-pody, tsy folaka fa milefitra.

- Gisa lahy homan-ketsa izy mihinana indray no avo vava.

10- Tsara tarehy petak’orona ka voatondro iray ny tsininy.

Vomanga malemy mibiloka, ohanina amin’ny halemem-panahiny.

 

  • rot1.bmp

    Parodie : Iarivo tsy foiko

    Bonjour, Pour mes lecteurs francophones, mes articles en français vont toujours rester sur…
Charger d'autres articles liés
Charger d'autres écrits par randriamialy
Charger d'autres écrits dans Actus

2 Commentaires

  1. ANDRIAMIALISON

    9 février, 2015 à 11:48

    tsy ratsy, ny olana sao ny diso ndray no tadidy fa toa mifanaraka hafahafa!!

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Consulter aussi

Diniho ny fandehan-javatra

Misy firenena izay any nanana orinasa maro ny fanjakana tao aminy. Izao ny tantarany, mamp…