Accueil Actus Rahoviana no hadio Antananarivo?

Rahoviana no hadio Antananarivo?

1
0
310
16017898437_47e4dab242

Nieritreritra an’izany aho hoe rahoviana no hadio Antananarivo dia hoy aho hoe rehefa lasa adala avokoa isika mponina ao vao hadio isika.

Aza taitra aloha mahita ny hoe « adala ». Adalam-pahadiovana ny tiako tenenina eto. Ho an’ireo tsy mahazo raha tsy atao teny vahiny dia « maniaque » io adala tiako tenenina io nefa maninona moa raha « fou » rehefa zavatra tsara no maha-adala antsika?

Efa natsidiko tao amin’ny blog-ko miteny frantsay ny momba io fahadiovana io raha niresaka aho fa « révolution moramora » no mety eto amintsika. Nieritreritra foana aho nandritra ny herinandro hoe inona no hosoratako ary teo am-pieritreretana mihitsy aho, tao anaty fiara avy any Antsirabe no lany solika io fiara, izay papango, io. Nivoaka ny mpandeha dia niresadresaka izahay.

Nampihomehy ihany ny toe-draharaha satria nitsoaka avy tao Antsirabe izahay noho ny fidinan’ny ATT tampoka (Sampan-draharaha mpandamina ny fifamoivoizana) saika hisava ny fiara hany ka tsisy vita na famatorana entana na fampidinana solika. Nitady vaha-olana ny mpamily ny fiara, izay tsy tadidiko mihitsy na ny laharany na ny toetoetrany (sao misy hanontany an’zay eo). Teo dia nandeha ny resaka hoe « amin’ny fomba ahoana moa no handroso Madagasikara raha toy izao foana no iainana? » Io fiara io, amin’ny maha-papango azy dia tsy nandoa ny anjaran’ny ATT izany fa ireo mpanera no nameno paosy. Izahay mpandeha, na dia tsy nanan-tsafidy loatra aza satria toy ireny terena ireny izahay sintonin’ireo mpanera fa « misy fiara hiainga izao dieny izao ao », dia afaka koa nanda ny tsy nandeha fa niandry ny rariny teo amin’ireo fiara « ara-dalàna » mbola nameno. Fantatrareo tsara ny dikan’ny soratra Miainga izao dia izao » eo amin’ny taxi-brousse. Ireo mpitandro filaminana izay nisava ny fiara moa dia nahita taratasy nahafa-po azy tao anaty fitoerany ka dia tsy nisy niteny.

Teo no niditra ny resaka fahadiovana. Nisy mpiara-mandeha tamiko nitantara ny olana tao amin’ny fokontany nisy azy teto Antananarivo. Toy izany, hoy izy, ny nanjo anay tao amin’ny fokontaninay. Rehefa notenenina ny olona hoe aoka isika samy hanadio ny eo anoloan’ny varavarantsika dia ny valintenin’ny olona dia ny hoe : « fakon’olona entin’ny rivotra avy any ve dia hofafanay koa e? ». Dia nahita hevitra hafa idray hoe samy mandoa Ar 500 avy isan-tokantrano hanaramana mpamafa lalana. Nety ihany ilay izy tamin’ny voalohany fa rehefa natao ny tatitra dia tezitra indray ireo mponina nahita fa nikarama tsaratsara ihany ilay mpamafa lalana, na dia efa noferana ary ny nomena azy fa tsy ny Ar 500 rehetra voahangona. Mihevitra aho fa betsaka ny fokontany miaina teo-draharaha mitovitovy amin’izanymatoa mbola maloto sy maimbo avokoa izay aleha rehetra eto.

Gaga aho fa dia nifanaraka tanteraka amin’ny lahatsoratra saika hosoratako io fijoroana vavolombelona io. Izany mihitsy no saika ho atolotro ho vahaolana amin’ny tsy fahadiovana eto Antananarivo. Hoe raha samy manadio ny eo anoloan’ny tranony daholo isika rehetra ary manakarama ny mpamafa lalana avy amin’ny latsak’emboka, na dia Ar 100 isan’olona aza dia hadio be mihitsy ireny elakelan-trano rehetra ireny. Avy eo isika samy tsy te handoto intsony fa samy hanary fako eny amin’ny fitoerany. Rehefa tsy hisy fako intsony afa-tsy ao amin’ny dababe dia ho hitan’ny havany eo ny kaominina rehefa tsy hanala an’ireny ara-potoana. Hahita hevitra tampoka eo indray hanampiana azy (ny kaominina io). Mety hoe ny orinasa indray no hanome fanampiana azy ohatra na fikambanana isan-karazany.

Kivy ihany aho anefa satria takatro izany fa hevitra efa tiana hapetraka efa ela izany rehetra tanisaiko izany saingy tsy mety mandaitra. Teo moa izahay roalahy dia samy nitantara ireo tanana any amin’ny firenena hafa hita amin’ny fahitalavitra na hita maso ihany koa izay madio toy ny azo lelafina mihitsy ary dia mitsiriritra fotsiny. « Toe-tsaina le izy e! » Tsy miankina amin’ny vola izany ary tsy miankina amin’ny fitaovana. Raha tenenina amin’ny gasy angamba ny ataon’ny any ivelany any rehefa tena tia fahadiovana dia lazainy ho adala indray. Raha mandeha eny an-dalana ianao any LaFrantsa ka manipy fonona vatomamy amin’ny tany dia mety ho voavazavazan’ny zazakely 5 taona hoe « tsy azo atao manipy fako amin’ny tany ».  Hisy rangahibe hitsimpona an’iny eo imasonao dia hanatitra azy anaty fitoeram-pako. Adala e? Any Rwanda amin’izao lasa fady ny harona plastika. Arahina mpitandro filaminana mitam-basy ireo mpisava ka izay mpivarotra tratra mampiasa plastika dia migadra avy hatrany. Isika koa anie manana lalàna mitovy amin’izany saingy tsy misy miraharaha e. Raha mitsakotsako siligaoma eny an-dalam-be ianao any Singapour, mitsako fotsiny fa tsy mandrora akory, dia hosamborina ary hovelesina amin’ny hazo bararata ny lamosinao raha tsy higadra aza. Mety ho hadalàna ny fijerintsika izany nefa izaho mino fa tsy ho tonga amin’ny tena fahadiovana koa isika raha tsy ho « lasa adala », adalam-pahadiovana.

Hamaranako azy dia indro misy tantara atsangana kely. Azo hatsaraina, azo ovaina ary azo lalaovin’izay te-hampiasa azy. Amin’ny taona 20XX any amin’ny ho avy no miseho ny tantara. Olona roa na maro, miteny fitenim-paritra, izay mety, avy any Antananarivo ny sasany niala sasatra ary gaga noho ny fahadiovany.

- Salama e.
- Salama an!- Nanakory tao Antananarivo tao e?
- Nahafinaritra ihany, fa ah zalahy adala be zareo ao ka!
- Adala manakory re?
- Mahatsikaiky e!
- Tantarao moa ko!
- Hitanao? ‘lay tantine-nay tsy manaiky mihitsy fa in-3 isan’andro tsy maintsy fafàna ny tokontaniny, hatreny amin’ny trottoir an. Dia mitovy amin’izay jiaby zareo ao amin’ny quartier, kara mifaninana.
- Zany?
- Izy moa le miakanakana iny rehefa miteny. Maraina atoandro hariva dia zay foana : »Fa-fa-fafao ny tokontany e , fa-fa-fafao ny tokontany… » hahaha
- Dia mba afaka manao zavatra hafa ve amin’izany?
- Ie, mandehandeha dia miantsena rehefa tsy ao an-trano. Fa ny any na Alatsinainy na Alarobia na Asabotsy dia mi-zesijesta jiaby jiaby reo, kara handeha mariazy. Reo tsy mifoka sigara an-dalambe zany, tsy mihinankinana zany, na fiaran’reo aza tsy mamoaka setroka.
- Hihihi, dia inona koa ny adalany?
- Ia, raha vo hitany manarinary fako an, na dia zaza 4 taona aza tonga dia mivazavaza be hoe : »Eh, tsy fanariana fako amin’ny arabe!! ». Tsy maintsy aterina anaty fasiana fako foana. Fa mainka moa manao maloto zany an!
- Maninona?
- Nisy ingahy izay saika hamany amin’ny sisin’ny poteau fa tsy navelan-dreo ho vita akory dia nisy nively tamin’ny bois rond fitombenany, hahaha
- Fay zay! dia aiza zany manao pipi?
- Misy WC public reny eran’ny tanàna : 50 mamany, Ar 100 mangery, 300 mandro.
- Dia tena misy mandro ve?
- Ie, feno. Fa tsara anie le douche e, madio be.
- Hum, kely sisa reo zany dia mba madio mitovy amintsika koa.
- Ie, fa nen’reo draiky efa ho lasa hadalàna. Adalam-pahadiovana.

Charger d'autres articles liés
Charger d'autres écrits par randriamialy
Charger d'autres écrits dans Actus

Un commentaire

  1. Belle

    15 août, 2015 à 7:17

    inay anie mba adala daholo ny mponin’Antananarivo tsy an-kanavaka dia tsy ho nofinofy intsony izao voatanisanao izao…

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Consulter aussi

Diniho ny fandehan-javatra

Misy firenena izay any nanana orinasa maro ny fanjakana tao aminy. Izao ny tantarany, mamp…