Accueil Actus Hira tsy fanadino : Ampitapitao!

Hira tsy fanadino : Ampitapitao!

0
0
269
révolution

Sao dia hoe lasa feon-kira famantarana fotsiny ny fahalalantsika an’itony hira itony ka tsy haintsika intsony ny vontoatin’ny tonony. Ny fitondràna mantsy miovaova fa ny tolona atrehin’ny vahoaka andavanandro dia misy foana.

Ieee

Ampitapitao e

Ampitapitao amin’ny namako any
Ataovy mazava (ry namako a)
Fa ny vahoaka (no tompony)
Ampitapitao any fa izany no ilaina
Ataovy mazava
Dia aleo ho tonga saina
Fa isika vahoaka (mitolona)
Tsy misy mitsoaka (eee)
Tsy misy mitsoaka (aaa)

Ampitapitao amin’ny namako any
Ataovy mazava (ry namako a)
Basy mipoaka mangina ihany (Marina e)
Tany tsy an-tanan’ny vahoaka
Ny miaramila milanja basy
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)

An’iza ny basy, an’iza ny angady?
An’iza ny saina, an’iza ny vola?
An’iza ny sandry, an’iza ny tany?
Antsika daholo daholo daholo e!

ieee

Ampitapitao amin’ny namako any
Ataovy mazava (ry namako a)
Izany no hevitra (ka lazaina)
Tany tsy antanan’ny vahoaka
Satria ny sasany milanja basy
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka aaa

Ampitapitao amin’ny namako any
Ataovy mazava (ry namako a)
Fa mipaika amin’ny maizina (dina sy vina)
Paika sy telin’ny vahoaka
Satria ny marina no ajoro
Dia ny vahoaka (mitolona)
Dia ny vahoaka (mitolona)
Dia ny vahoaka (mitolona)

An’iza ny basy, an’iza ny angady?
An’iza ny saina, an’iza ny vola?
An’iza ny sandry, an’iza ny tany?
Antsika daholo daholo daholo e!

ieee

Ampitapitao amin’ny namako any
Ataovy mazava (ry namako a)
Fa ny vola no lasa (tsy izoviana)
Vola tsy miantoka fitondrana
Ny fanjakana no manambola
Dia ny vahoaka (mikofoka)
Dia ny vahoaka (no tsemboka)
Dia ny vahoaka (mitolona)

Ampitapitao amin’ny namako any
Ataovy mazava (ry namako a)
Fa ny volany lasa (tsy izoviana)
Ny vola tsy miantoka fitondrana
Ny fanjakana no manambola
Dia ny vahoaka (mikofoka)
Dia ny vahoaka (no tsemboka)
Dia ny vahoaka (mitolona)

An’iza ny basy, an’iza ny angady?
An’iza ny saina, an’iza ny vola?
An’iza ny sandry, an’iza ny tany?
Antsika daholo daholo daholo e!

ieee

Ampitapitao amin’ny namako any
Ataovy mazava (ry namako a)
Fa ny vahoaka (no tompony)
Ampitapitao fa izany no ilaina
Ataovy mazava
Dia aleo ho tonga saina
Fa isika vahoaka (mitolona)
tsy misy mitsoaka
tsy misy mitsoaka

Ampitapitao amin’ny namako any
Ataovy mazava (ry namako a)
Basy mipoaka mangina ihany (Marina e)
Tany tsy an-tanan’ny vahoaka
Ny miaramila milanja basy
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)
Dia ny vahoaka (tifiriny)

An’iza ny basy, an’iza ny angady?
An’iza ny saina, an’iza ny vola?
An’iza ny sandry, an’iza ny tany?
Antsika daholo daholo daholo e!

ieee

Ampitapitao amin’ny namako any
Ataovy mazava ry namako a!
Fa ny vahoaka no tompony
Tsy maintsy mandresy ny tompony
Satria ny vahoaka mitolona
Tsy maintsy mandresy ny tolona?

 

NY HAZO MIDOROBOKA (SOVA)

Raha misy fanitsiana dia atoroy aho anaty fanamarihana.

 

Image de prévisualisation YouTube
  • révolution

    Diniho ny fandehan-javatra

    Misy firenena izay any nanana orinasa maro ny fanjakana tao aminy. Izao ny tantarany, mamp…
Charger d'autres articles liés
Charger d'autres écrits par randriamialy
Charger d'autres écrits dans Actus

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Consulter aussi

Diniho ny fandehan-javatra

Misy firenena izay any nanana orinasa maro ny fanjakana tao aminy. Izao ny tantarany, mamp…