Accueil Actus Diniho ny fandehan-javatra

Diniho ny fandehan-javatra

0
0
242
révolution

Misy firenena izay any nanana orinasa maro ny fanjakana tao aminy. Izao ny tantarany, mampalahelo.

Ny orinasam-panjakana A dia faran’izay miroborobo. Tombom-barotra tsy hita pesipesenina no ampidiriny ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Sambatra sy mirehareha ireo mpiasa ao aminy fa isan’ireo tafita. Ankoatra ny karama ambony dia mahazo tombotsoa izay tsiriritin’ny olona mihitsy izy ireo. Indrisy fa fotoana vitsy dia mitontongana ny hari-karen’ny orinasa A. Sarotra ny mahalala ny antony satria ny asa atao toy ny teo aloha ihany. Tsy fahaiza-mitantana hono e, gaboraraky ny mpiasa hono e, toe-javatra tsy voafehy hono e ! Mande ny feo fa mety hikatona ny orinasa ka mihorohoro ny mpiasa. Mandà mafy ny fanjakana fa tsy ao anaty eritreritra akory izany. Ireo hetsika sy ireo siosion-dresaka dia atao toy ny tsy misy. Rehefa tonga ny fotoana dia ampahafantarina fa efa namidy tamin’ny vahiny ny orinasa A.

Ny orinasam-panjakana B koa dia faran’izay miroborobo. Tombom-barotra tsy hita pesipesenina no ampidiriny ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Sambatra sy mirehareha ireo mpiasa ao aminy fa isan’ireo tafita. Ankoatra ny karama ambony dia mahazo tombotsoa izay tsiriritin’ny olona mihitsy izy ireo. Indrisy fa fotoana vitsy dia mitontongana ny hari-karen’ny orinasa B. Sarotra ny mahalala ny antony satria ny asa atao toy ny teo aloha ihany. Tsy fahaiza-mitantana hono e, gaboraraky ny mpiasa hono e, toe-javatra tsy voafehy hono e ! Mande ny feo fa mety hikatona ny orinasa ka mihorohoro ny mpiasa. Mandà mafy ny fanjakana fa tsy ao anaty eritreritra akory izany. Ireo hetsika sy ireo siosion-dresaka dia atao toy ny tsy misy. Rehefa tonga ny fotoana dia ampahafantarina fa efa namidy tamin’ny vahiny ny orinasa B.

Ny orinasam-panjakana D moa dia faran’izay miroborobo. Tombom-barotra tsy hita pesipesenina no ampidiriny ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Sambatra sy mirehareha ireo mpiasa ao aminy fa isan’ireo tafita. Ankoatra ny karama ambony dia mahazo tombotsoa izay tsiriritin’ny olona mihitsy izy ireo. Indrisy fa fotoana vitsy dia mitontongana ny hari-karen’ny orinasa D. Sarotra ny mahalala ny antony satria ny asa atao toy ny teo aloha ihany. Tsy fahaiza-mitantana hono e, gaboraraky ny mpiasa hono e, toe-javatra tsy voafehy hono e ! Mande ny feo fa mety hikatona ny orinasa ka mihorohoro ny mpiasa. Mandà mafy ny fanjakana fa tsy ao anaty eritreritra akory izany. Ireo hetsika sy ireo siosion-dresaka dia atao toy ny tsy misy. Rehefa tonga ny fotoana dia ampahafantarina fa efa namidy tamin’ny vahiny ny orinasa D.

Ny orinasam-panjakana E indray dia faran’izay miroborobo. Tombom-barotra tsy hita pesipesenina no ampidiriny ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Sambatra sy mirehareha ireo mpiasa ao aminy fa isan’ireo tafita. Ankoatra ny karama ambony dia mahazo tombotsoa izay tsiriritin’ny olona mihitsy izy ireo. Indrisy fa fotoana vitsy dia mitontongana ny hari-karen’ny orinasa E. Sarotra ny mahalala ny antony satria ny asa atao toy ny teo aloha ihany. Tsy fahaiza-mitantana hono e, gaboraraky ny mpiasa hono e, toe-javatra tsy voafehy hono e ! Mande ny feo fa mety hikatona ny orinasa ka mihorohoro ny mpiasa. Mandà mafy ny fanjakana fa tsy ao anaty eritreritra akory izany. Ireo hetsika sy ireo siosion-dresaka dia atao toy ny tsy misy. Rehefa tonga ny fotoana dia ampahafantarina fa efa namidy tamin’ny vahiny ny orinasa E.

Fa io firenena io taloha tena faran’izay niroborobo. Tombom-barotra tsy hita pesipesenina no ampidiriny ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Sambatra sy mirehareha ireo mponina ao aminy…dia hanao ahoana ny tohiny?

Charger d'autres articles liés
Charger d'autres écrits par randriamialy
Charger d'autres écrits dans Actus

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>

Consulter aussi

Conte d’Odag : L’homme sans nom aux mille visages

Odag est une vaste province au milieu duquel mon village ressemble à une petite goutte d&r…