
Mba fampahafantarana fotsiny ihany no ilazako fa tsy misy vola 1 000 000 de dollar amerikanina manan-kery izany.
Raha vola zimbaboeanina dia ekeko hoe nisy ny mari-bola 1 000 000 dolara saingy tsy mahazo kakapizao iray akory izany. Tadidiko nisy olona tonga tao amin’ny birao nilaza fa homeny ahy ny antsasany (fifty fifty) raha voavadiko Ariary ny vola amina miliao tany aminy. Saingy zimbaboeana ilay izy ka notsofiko rano izy hitazona azy rehetra tsy misy arakaraka.
Raha vola amerikanina, ka US Dollar dia 1000 ny mari-bola lehibe indrindra efa nivoaka tany amin’ny taonjato lasa ary tao anatin’ny fotoana fohy ka vitsy dia vitsy no natonta. Raha mahita izany hono ianao ankehitriny dia mbola afaka manakalo azy saingy any amin’ny Banky Federaly any Etazonia. Izaho aloha tsy sahy sady tsy marisika fa raha atao haingon-trano angaha dia amidy amin’ireo mpitia vakoka.
Misy mihitsy ary ny vola Dollar amerikanina mitentina 1 000 000 na mihoatra saingy na kilalao ireny na koa fanamarihana zavatra hafa toy ny hoe fifanarahana ara-taratasy tsotra saingy tsy taratasy tsotra no ampiasaina fa sarim-bola. Mazava amin’izay fa ianareo roa izay nifanaraka no afaka mifanakalo an’io taratasy io. Tsy hisy banky hanaiky hanome majinika anao na hanome Ariary amin’iny. Ny loza ary toy ny tany Torkia dia mety hosamborina ianao raha mitondra an’iny miditra banky.
Matetika, na saika amin’ny fotoana rehetra mihitsy aza dia tsy mba misy izany vola be azo na omena fotsiny izany. Fisolokiana hatrany ny ao ambadik’ireny. Na dia ny antsapaka lehibe aza tsy hoe omena maimaimpoana ny mpandresy ny loka fa misy aman’arivony tao nandoa vola nefa tsy mba nahazo loka. Saingy mora amin’ny olona, indrindra ny mahantra toa antsika ny ho roboka raha vao mahare hoe tapitrisa, dolara, sns.
Ny asako ao amin’ny manodidididina ny fitantanam-bola. Efa maro ny olona voafitaka tonga tao amiko hanakalo ireny vola sandoka ireny. Ankehitriny aza dia efa misy koa milaza manana kara-banky (carte bancaire) misy vola 1 tapitrisa dolara saingy tsy azo ampidirina amin’ny fitaovana manara-penitra hono fa izay tsy mila miantso ny bankiny ihany (offline).
Fehiny, mila mailo aloha nefa koa mila misaina fa na fitiavana be tahaka ny inona ary tsy misy hanome 1000000 dolara tsisy takalony na amidy mora aminao izany. Sa misy? Nanao kajy aho fa na dia 100 000 dolara ary dia ampy iainanay mianakavy kely taona maromaro. Ka tsy laviko raha misy any saingy vola tena izy sy manan-kery. Misaotra mialoha!